Promo !

BD TOME 1 – BOKY MIRAKITRA NY TANTARAN’I SILO ILAY ZANAKA SIFAKA (MG)

Le prix initial était : 123.965 Ar.Le prix actuel est : 99.172 Ar.

Description

SILO : BOKY MIRAKITRA NY TANTARAN’I SILO ILAY ZANAKA SIFAKA !

Tongava mitsidika an’i Madagasikara miaraka amin’i Silo, biby miavaka sy mahafinaritra. I Silo dia zanaka Sifaka kely mahafatifaty, izay manonofy ny hahita indray ireo namany mitovy karazana aminy ao amin’ilay valan-javaboahary kanto ao Isalo.

Amin’ny alalan’ny tantara dia hanaraka an’i Silo aminkely ny diany ahitana zava-baovao, fihaonana, fihetseham-po ary zava-mahagaga ny ankizy sy ny olon-dehibe. Dia manasa anareo mpamaky hahafantatra ny harena voajanahary sy ny bibysamihafa eto Madagasikara, sady mampianatra ny ankizy amin’ny ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny Nosintsika sy ny tontolo iainana.

Ity boky misy pejy 50 ity dia manolotra traikefa miavaka, mampiaraka ny tantara an-tsary misy sary miloko sy ny ampahany natokana ho an’ny fandokoana. Afaka mamaky ny tantaran’i Silo ny ankizy, mampiasa malalaka ny fisainany ary manome loko araka izay tiany ny tontolo iainan’i Silo.

Boky natao ho an’ny fianakaviana rehetra, sady mampiala voly no manabe, mba hahafahan’ny ray aman-dreny sy ny ankizy miara-mandany fotoana mahafinaritra amin’ny famakiana sy ny famoronana.

Vaovao mahafaly ! Ho azo vidiana manomboka ny 1 Desambra 2026 ny tantaran’i Silo ilay Sifaka kely, amin’ny vidiny 25 €, ary 20 € kosa ny vidiny manokana ho an’izay manao famandrihana mialoha (précommande).